Bokin'ny Genesisy 25:20
Abrahama niteraka an’ Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin’ i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin’ i Labana Syriana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Ary izao no taranak’ Isaka, zanakalahin’ i Abrahama:
Read all of Bokin'ny Genesisy 25
Cross References
Genesis 24:29Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana.
Genesis 27:43Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin’ i Labana anadahiko.
Genesis 31:18dia nitondra ny ombiny sy ny ondry aman’ osiny rehetra izy, mbamin’ ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman’ ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin’ Isaka rainy any amin’ ny tany Kanana.
Genesis 31:24Fa Andriamanitra nankeo amin’ i Labana Syriana tamin’ ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
Deuteronomy 26:5Dia hiteny eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin’ ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.