Bokin'ny Genesisy 25:6
Fa ny zanak’ ireo vaditsindranony hafa, izay nananan’ i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin’ Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ ny tany atsinanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Dia natolotr’ i Abrahama an’ Isaka izay rehetra nananany.
7Ary ny andro niainan’ i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.
Read all of Bokin'ny Genesisy 25
Cross References
Genesis 16:3Ary rehefa nonina folo taona teo amin’ ny tany Kanana Abrama, dia nalain’ i Saray, vadin’ i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an’ i Abrama vadiny mba hovadiny.
Genesis 25:1Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
Genesis 30:4Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin’ i Jakoba koa izy.
Genesis 32:22Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin’ ny toby ihany tamin’ iny alina iny.
Judges 6:3Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy.
Judges 19:4Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.