Bokin'ny Genesisy 26:12
Dia namafy tamin’ izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin’ izay taona izay, satria efa notahin’ i Jehovah izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Ary nanan-karena ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra;
Read all of Bokin'ny Genesisy 26
Cross References
Genesis 24:35Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman’ osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.
Genesis 26:3Mivahinia eto amin’ ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin’ i Abrahama rainao;
Genesis 30:30Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin’ ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ ny ao an-tranoko?
Psalms 67:6Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
Proverbs 10:22Ny fitahian’ i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon’ ny fisasarana ampiana izany.
Zechariah 8:12Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin’ ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.