Bokin'ny Genesisy 26:28
Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 26
Cross References
Genesis 21:23koa ankehitriny ianiano amin’ Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin’ ny tany izay ivahinianao.
Genesis 24:3fa hampianianiko amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita izay iraisako monina ianao;
Genesis 31:44Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.
Genesis 39:5Ary hatramin’ izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nananany dia notahin’ i Jehovah ny tranon’ ilay Egyptiana noho ny amin’ i Josefa; ary ny fitahian’ i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
1 Samuel 18:28Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an’ i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.
2 Chronicles 15:9Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin’ ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin’ ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy.