Bokin'ny Genesisy 26:8
Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan’ ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 26
Cross References
Judges 5:28Tao amin’ ny varavarankely no nitsirihan’ ny renin’ i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin’ ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian’ ny kalesiny?
Proverbs 7:6Fa teo amin’ ny varavarankelin’ ny tranoko, Dia teo amin’ ny makarakara, no nitsirihako,
Song of Solomon 2:9Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin’ ny makarakara.