Bokin'ny Genesisy 27:13
Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 27
Cross References
Genesis 25:33Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin’ i Jakoba ny fizokiany.
Genesis 43:9Izaho no hiantoka azy; amin’ ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin’ ny andro rehetra hiainako aho;
1 Samuel 14:36Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan’ ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an’ Andriamanitra etoana.
2 Samuel 14:9Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin’ ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin’ ny ankohonan’ ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
Matthew 27:25Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin’ ny zanakay.