Bokin'ny Genesisy 27:19
Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan’ ny fanahinao rano ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 27
Cross References
Genesis 27:4ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan’ ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.
Genesis 27:24Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
1 Kings 13:18Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
Isaiah 28:15Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena,
Matthew 26:70Fa izy nandà teo anatrehan’ izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.