Bokin'ny Genesisy 28:19
Ary ny anaran’ izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ ilay tanàna tany aloha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he called the name of that place Bethel: but the name of that city was called Luz at the first.
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 28
Cross References
Genesis 35:1Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an’ Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan’ i Esao rahalahinao.
Genesis 48:3Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin’ ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
Joshua 18:13hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin’ ny ilany atsimon’ i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin’ ny tendrombohitra atsimon’ i Beti-horona ambany,
Judges 20:26Dia niakatra ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah ary nifady hanina tamin’ izany andro izany mandra-paharivan’ ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah izy.
1 Kings 12:29Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
2 Chronicles 13:19Ary Abia nanenjika an’ i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin’ ny zana-bohiny sy Jesana mbamin’ ny zana-bohiny ary Efrona mbamin’ ny zana-bohiny.