Bokin'ny Genesisy 28:22
ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon’ Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ ny tranon’ ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro,
Read all of Bokin'ny Genesisy 28
Cross References
Genesis 14:20Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen’ i Abrama azy ny ampahafolon’ ny zavatra rehetra.
Genesis 28:17Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon’ Andriamanitra sy vavahadin’ ny lanitra.
Genesis 35:1Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an’ Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan’ i Esao rahalahinao.
Genesis 35:14Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin’ ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.
Genesis 47:26Dia nataon’ i Josefa ho lalana tany amin’ ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an’ i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin’ ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’ i Farao.
Leviticus 27:32Ary ny amin’ ny ampahafolon’ ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon’ izay rehetra mandalo eo ambanin’ ny tehin’ ny mpiandry, ho masìna ho an’ i Jehovah.