Bokin'ny Genesisy 29:18
Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Jacob loved Rachel; and said, I will serve thee seven years for Rachel thy younger daughter.
In Context
17Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
19Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
Read all of Bokin'ny Genesisy 29
Cross References
Genesis 29:30Dia novadin’ i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an’ i Labana fito taona indray izy.
Genesis 34:12na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.
2 Samuel 3:14Ary Davida naniraka olona nankany amin’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin’ ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy.
Hosea 12:12Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.