Bokin'ny Genesisy 29:2
Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman’ osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin’ izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ ny olona ny andian’ ny ondry aman’ osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan’ ny fantsakana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Dia niainga Jakoba ka nankany amin’ ny tanin’ ny zanaky ny atsinanana.
Read all of Bokin'ny Genesisy 29
Cross References
Genesis 24:11Ary nampandohalehiny teo ivelan’ ny tanàna tanilan’ ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin’ ilay fandehanan’ ny vehivavy mpantsaka iny
Exodus 2:15Ary rehefa ren’ i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an’ i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan’ i Farao ka nonina tany amin’ ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan’ ny lavaka fantsakana izy.
Song of Solomon 1:6Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon’ ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak’ ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an’ ny tenako, tsy mba nandrasako.
John 4:6Ary teo ilay fantsakan’ i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin’ ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana Izy, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina.
Revelation 7:17Fa ny Zanak’ ondry Izay eo afovoan’ ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ ny masony.