Bokin'ny Genesisy 29:25
Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin’ i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Ary nomen’ i Labana an’ i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
26Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin’ ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan’ ny zokiny.
Read all of Bokin'ny Genesisy 29
Cross References
Genesis 27:35Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.
Genesis 31:26Ary hoy Labana tamin’ i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin’ ny sabatra?
Proverbs 11:31Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
Matthew 7:12Koa amin’ izany na inona na inona tianareo hataon’ ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.
1 Corinthians 3:13dia haseho avokoa ny asan’ ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’ afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin’ ny afo ny asan’ ny olona rehetra.