Bokin'ny Genesisy 29:33
Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren’ i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 29
Cross References
Genesis 30:6Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
Genesis 30:18Ary hoy Lea: Efa nomen’ Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin’ ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany.
Genesis 34:25Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’ i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin’ i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.
Genesis 35:23Ary ny zanakalahin’ i Jakoba dia roa ambin’ ny folo mirahalahy: ny zanak’ i Lea dia Robena, lahimatoan’ i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
Genesis 49:5SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;