Bokin'ny Genesisy 29:34
Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 29
Cross References
Genesis 30:20Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin’ izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
Genesis 35:23Ary ny zanakalahin’ i Jakoba dia roa ambin’ ny folo mirahalahy: ny zanak’ i Lea dia Robena, lahimatoan’ i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
Genesis 49:5SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;
Exodus 32:26dia nijanona teo amin’ ny vavahadin’ ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an’ i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’ i Levy rehetra niangona teo aminy.
Deuteronomy 33:8Ary ny amin’ i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin’ ny olonao masìna. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin’ ny ranon’ i Meriba,