Bokin'ny Genesisy 29:35
Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an’ i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 29
Cross References
Genesis 30:9Ary rehefa hitan’ i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an’ i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin’ i Jakoba koa.
Genesis 38:1Ary tamin’ izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin’ ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
Genesis 44:18Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’ itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’ i Farao ianao.
Genesis 49:8Ry JODA, hoderain’ ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin’ ny vozon’ ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
1 Chronicles 5:2fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian’ ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an’ i Josefa ihany),
Matthew 1:2Abrahama niteraka an’ i Isaka; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba; ary Jakoba niteraka an’ i Joda mirahalahy avy;