Bokin'ny Genesisy 3:1
Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’ i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin’ ny saha?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Fa hoy ravehivavy tamin’ ny menarana: Ny voan’ ny hazo eo amin’ ny saha dia azonay ihinanana ihany;
Read all of Bokin'ny Genesisy 3
Cross References
Numbers 22:28Dia nosokafan’ i Jehovah ny vavan’ ny boriky, ka hoy ny boriky tamin’ i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?
Isaiah 27:1Amin’ izany andro izany ny sabatr’ i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
Matthew 4:6dia nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran’ ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.
Matthew 10:16Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.
2 Corinthians 11:14Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ ny mazava.
Revelation 12:9Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.