Genesis 3:12
Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the man said, The woman whom thou gavest to be with me, she gave me of the tree, and I did eat.
In Context
Cross References
Genesis 2:18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
Genesis 2:22Ary ny taolan-tehezana izay nalain’ i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.
1 Samuel 15:15Ary hoy Saoly: Avy tany amin’ ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman’ osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa.
1 Samuel 15:21Nefa nangalan’ ny olona ondry aman’ osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin’ ny zavatra haringana, mba hovonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.
Proverbs 19:3Ny fahadalan’ ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin’ i Jehovah no sosotra ny fony.
Luke 10:29Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Iza ary no namako?