Bokin'ny Genesisy 3:16
Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan’ anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 3
Cross References
Genesis 4:7Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.
Numbers 30:7Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon’ ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady,
1 Samuel 4:19Ary ny vinantoni-vavy, vadin’ i Finehasa, nanan’ anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
Esther 1:20Ary raha torina eran’ ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn’ ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.
Isaiah 13:8Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny.
Isaiah 26:17Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,