Bokin'ny Genesisy 30:24
Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And she called his name Joseph; and said, The LORD shall add to me another son.
In Context
23Ary nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
Read all of Bokin'ny Genesisy 30
Cross References
Genesis 35:24ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;
Genesis 37:4Ary nony hitan’ ny rahalahiny fa Josefa no tian’ ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
Genesis 42:6Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin’ ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin’ i Josefa ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
Genesis 49:22JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
Ezekiel 37:16Ary ianao, ry zanak’ olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an’ ny Joda sy ho an’ ny zanak’ Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an’ i Josefa dia tapa-kazon’ i Efraima sy ho an’ ny taranak’ Isiraely namany rehetra.
Hebrews 11:21Finoana no nitsofan’ i Jakoba rano ny zanak’ i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin’ ny lohan’ ny tehiny.