Bokin'ny Genesisy 31:19
Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman’ osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Laban went to shear his sheep: and Rachel had stolen the images that were her father’s.
In Context
20Ary Jakoba dia nangala-dia tamin’ i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin’ ny handosirany.
Read all of Bokin'ny Genesisy 31
Cross References
Genesis 31:30Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon’ ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro?
Genesis 31:34Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin’ ny laselin’ ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran’ ny lay rehetra, fa tsy nahita.
Genesis 38:13Dia nisy nanambara tamin’ i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
Judges 17:4Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon’ i Mika izany.
Judges 18:14Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin’ ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina? koa hevero izay hataonareo.
1 Samuel 19:13Ary nalain’ i Mikala ny sampy, dia napetrany teo amin’ ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon’ osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.