Bokin'ny Genesisy 31:35
Ary hoy Rahely tamin’ ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon’ ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 31
Cross References
Genesis 18:11Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin’ ny fombam-behivavy Saraha.
Leviticus 15:19Ary raha misy vehivavy mararin’ ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Leviticus 19:32Mitsangàna raha eo anatrehan’ ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan’ ny anti-panahy, ary matahora an’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
Ephesians 6:1Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ ny Tompo, fa marina izany.
1 Peter 3:6dia tahaka an’ i Saraha, izay nanaiky an’ i Abrahama ka nanao azy hoe “tompoko”; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.