Bokin'ny Genesisy 31:36
Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin’ i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin’ i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 31
Cross References
Genesis 34:7Ary ny zanak’ i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely noho ny nandriany tamin’ ny zanakavavin’ i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.
Numbers 16:15Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin’ i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin’ ny anankiray aminy akory aza.
2 Kings 13:19Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
Mark 3:5Ary nony nijerijery azy tamin’ ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
James 1:19Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;