Bokin'ny Genesisy 32:10
Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr’ i Abrahama raiko, sady Andriamanitr’ Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin’ ny taninao sy any amin’ ny havanao dia hanao soa aminao Aho;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 32
Cross References
Genesis 24:12Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko.
Genesis 28:10Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
Genesis 28:15Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin’ izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.
Genesis 31:3Ary hoy Jehovah tamin’ i Jakoba: Modia any amin’ ny tanin’ ny razanao sy any amin’ ny havanao; ary homba anao Aho.
Genesis 32:7Dia niverina tany amin’ i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin’ i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.
2 Samuel 7:18Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho?