Bokin'ny Genesisy 32:6
ary manana omby sy boriky sy ondry aman’ osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 32
Cross References
Genesis 27:40Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin’ izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin’ ny vozonao.
Genesis 32:8Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin’ ny ondry aman’ osy sy ny omby ary ny rameva;
Genesis 33:1Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin’ i Lea sy Rahely ary ho amin’ ny ankizivavy roa.
Genesis 33:15Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason’ itompokolahy aho.
Genesis 47:25Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason’ itompokolahy izahay, dia ho mpanompon’ i Farao.
Ruth 2:13Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin’ ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ ny zatovovavinao aza aho.