Bokin'ny Genesisy 32:9
fa hoy izy: Raha tafahaona amin’ ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 32
Cross References
Genesis 28:13Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama rainao sy Andriamanitr’ Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
Genesis 31:13Izaho no Andriamanitr’ i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin’ ity tany ity, ka modia any amin’ ny tany nahaterahanao.
Genesis 31:42Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr’ i Abrahama, Ilay natahoran’ Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ ny tanako ka nananatra anao halina.
Exodus 3:6Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an’ Andriamanitra izy.
2 Chronicles 20:6ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
2 Chronicles 32:20Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, ka nitaraina tamin’ ny lanitra.