Bokin'ny Genesisy 33:10
Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an’ izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin’ ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan’ Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.
Read all of Bokin'ny Genesisy 33
Cross References
Genesis 19:19indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
Genesis 43:3Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
Genesis 50:4Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin’ ny tao an-tranon’ i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin’ i Farao, ka ataovy hoe:
Ruth 2:10Dia niondrika sy niankohoka tamin’ ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?
2 Samuel 3:13Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin’ i Saoly.
2 Samuel 14:28Ary Absaloma nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny tavan’ ny mpanjaka ihany izy.