Bokin'ny Genesisy 34:2
Ary nahita azy Sekema, zanakalahin’ i Hamora Hivita, andriana tamin’ izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 34
Cross References
Genesis 6:2dia hitan’ ny zanak’ Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’ izy rehetra araka izay tiany izy.
Genesis 20:2Ary hoy ny filazan’ i Abrahama an’ i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan’ i Gerara, nampaka an’ i Saraha.
Genesis 34:27Ary ny zanak’ i Jakoba nankeny amin’ ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
Deuteronomy 21:14Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
Deuteronomy 22:29dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an’ ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin’ ny andro rehetra hiainany.
Judges 14:1Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin’ ny zanakavavin’ ny Filistina.