Bokin'ny Genesisy 34:5
Ary ren’ i Jakoba fa efa nandoto an’ i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman’ ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ary Sekema dia niteny tamin’ i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.
6Dia nivoaka Hamora, rain’ i Sekema, nankany amin’ i Jakoba hidinika taminy.
Read all of Bokin'ny Genesisy 34
Cross References
Genesis 37:13Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy: Inty Aho.
Leviticus 10:3Dia hoy Mosesy tamin’ i Arona: Izany dia ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Amin’ izay akaiky Ahy no hisehoako ho masìna, ary eo anatrehan’ ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
1 Samuel 16:11Ary hoy Samoela tamin’ i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin’ i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.
2 Samuel 13:22Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin’ i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan’ i Absaloma izy noho ny nisavihany an’ i Tamara anabaviny.
Luke 15:25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.