Bokin'ny Genesisy 34:7
Ary ny zanak’ i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely noho ny nandriany tamin’ ny zanakavavin’ i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Dia nivoaka Hamora, rain’ i Sekema, nankany amin’ i Jakoba hidinika taminy.
Read all of Bokin'ny Genesisy 34
Cross References
Genesis 46:7ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.
Leviticus 4:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ ireny:
Leviticus 4:27Ary raha misy amin’ ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka meloka,
Deuteronomy 23:17Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
Judges 19:22Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin’ ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
Judges 20:6Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin’ ny tany rehetra izay lovan’ ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra teo amin’ ny Isiraely ireo.