Bokin'ny Genesisy 35:11
Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin’ ny haterakao;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 35
Cross References
Genesis 9:1Ary Andriamanitra nitso-drano an’ i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Genesis 13:16Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Genesis 17:1Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
Genesis 17:6Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
Genesis 18:14Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va? Amin’ ny fotoan’ andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
Genesis 22:17dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ ny fahavalony;