Bokin'ny Genesisy 35:19
Dia maty Rahely ka nalevina teo amin’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Rachel died, and was buried in the way to Ephrath, which is Bethlehem.
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 35
Cross References
Joshua 19:15Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
Ruth 1:2Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran’ ny vadiny, ary ny anaran’ ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin’ ny tany Moaba izy ka nitoetra tany.
1 Samuel 10:2Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan’ ny fasan-dRahely, ao amin’ ny fari-tanin’ ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin’ ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin’ ny zanako?
2 Samuel 23:14Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
1 Chronicles 2:51Salma, razamben’ ny any Betlehema, Harefa, razamben’ ny any Beti-gadera.
Micah 5:1Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan’ ny arivon’ i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan’ Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.