Bokin'ny Genesisy 35:23
Ary ny zanakalahin’ i Jakoba dia roa ambin’ ny folo mirahalahy: ny zanak’ i Lea dia Robena, lahimatoan’ i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;
Read all of Bokin'ny Genesisy 35
Cross References
Genesis 29:32Dia nanan’ anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian’ ny vadiko aho.
Genesis 33:2Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana.
Genesis 49:3Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
Numbers 1:5Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin’ i Robena dia Elizora, zanak’ i Sedeora;
Numbers 2:3Ary ny hitoby eo amin’ ny lafiny atsinanana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ ny tobin’ i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;
Numbers 10:14Ary ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak’ i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.