Bokin'ny Genesisy 35:26
ary ny zanak’ i Zilpa, ankizivavin’ i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’ i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25ary ny zanak’ i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;
Read all of Bokin'ny Genesisy 35
Cross References
Genesis 28:2Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin’ ny tranon’ i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin’ ny zanakavavin’ i Labana anadahin-dreninao.
Genesis 30:9Ary rehefa hitan’ i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an’ i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin’ i Jakoba koa.
Genesis 31:18dia nitondra ny ombiny sy ny ondry aman’ osiny rehetra izy, mbamin’ ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman’ ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin’ Isaka rainy any amin’ ny tany Kanana.
Genesis 46:16Ary ny zanakalahin’ i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erỳ sy Aroda ary Arely.
Joshua 19:24Ary ny loka fahadimy dia azon’ ny firenena taranak’ i Asera isam-pokony.