Bokin'ny Genesisy 35:27
Ary Jakoba nankany amin’ Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian’ i Abrahama sy Isaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Ary ny andro niainan’ Isaka dia valo-polo amby zato taona.
Read all of Bokin'ny Genesisy 35
Cross References
Genesis 14:13Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin’ i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre Amorita, rahalahin’ i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin’ i Abrama.
Genesis 18:1Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrahama teo an-kazo terebintan’ i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran’ ny lainy izy, raha nafana ny andro;
Genesis 23:19Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an’ i Saraha vadiny tao amin’ ny zohy tao amin’ ny saha Makpela tandrifin’ i Mamre (Hebrona izany), ao amin’ ny tany Kanana;
Genesis 28:5Ary Isaka nampandeha an’ i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin’ i Labana, zanak’ i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin’ i Jakoba sy Esao.
Genesis 49:29Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin’ ny razako; aleveno ao amin’ ny razako aho, dia ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny sahan’ i Efrona Hetita,
Joshua 14:15Ary tanànan’ Arba no anaran’ i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin’ ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.