Bokin'ny Genesisy 35:3
ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an’ Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin’ ny andron’ ny fahoriako ary nomba ahy tamin’ ny lalana izay nalehako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 35
Cross References
Genesis 28:15Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin’ izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.
Genesis 31:3Ary hoy Jehovah tamin’ i Jakoba: Modia any amin’ ny tanin’ ny razanao sy any amin’ ny havanao; ary homba anao Aho.
Genesis 32:7Dia niverina tany amin’ i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin’ i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.
Genesis 48:15Dia nitso-drano an’ i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan’ i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
Psalms 50:15Antsoy Aho amin’ ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Psalms 91:15Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.