Bokin'ny Genesisy 35:4
Dia natolony teo amin’ i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin’ i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’ i Sekema ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 35
Cross References
Exodus 32:2Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin’ ny sofin’ ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.
Deuteronomy 7:5Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin’ ny afo.
Joshua 24:25Ary dia nanao fanekena tamin’ ny vahoaka Josoa tamin’ izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema.
Judges 8:24Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin’ ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
Isaiah 2:20Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona Ho an’ ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
Hosea 2:13Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.