Bokin'ny Genesisy 36:6
Dia nentin’ i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman’ ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin’ ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin’ ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin’ izay tany hialana eo anatrehan’ i Jakoba rahalahiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 36
Cross References
Genesis 12:5Ary Abrama nitondra an’ i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin’ ny fananan’ izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin’ ny tany Kanana, ka tonga tany amin’ ny tany Kanana izy.
Genesis 13:11Dia nofidin’ i Lota ho azy ny tany rehetra amoron’ i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
Genesis 25:23Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
Genesis 32:3Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin’ Andriamanitra ity; ary ny anaran’ izany tany izany nataony hoe Mahanaima.
Revelation 18:13sy havozomamy sy zavatra mani-pofona sy ditin-kazo sy menaka manitra sy ditin-kazo mani-pofona, sy divay sy diloilo sy lafarina tsara toto sy vary tritika sy omby sy ondry sy soavaly sy kalesy ary tena sy ain’ olona.