Bokin'ny Genesisy 37:14
Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman’ osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin’ ny lohasahan’ i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 37
Cross References
Genesis 23:2Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin’ ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an’ i Saraha sy hitomany azy.
Genesis 35:27Ary Jakoba nankany amin’ Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian’ i Abrahama sy Isaka.
Genesis 43:27Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy?
Joshua 14:13Dia nitso-drano azy Josoa ka nanome an’ i Hebrona ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.
1 Samuel 17:17Ary hoy Jese tamin’ i Davida zanany: Ento ity lango eran’ ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an’ ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin’ ny rahalahinao.
1 Samuel 17:22Ary Davida namela ny entany teo anilan’ ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin’ ny laharan’ ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin’ izay toetry ny rahalahiny.