Bokin'ny Genesisy 37:15
Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 37
Cross References
Judges 4:22Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an’ i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin’ i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin’ ny fihirifany.
John 1:38Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô), aiza Hianao no mitoetra?
John 18:4Ary satria fantatr’ i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin’ ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?
John 20:15Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.