Bokin'ny Genesisy 37:18
Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
Read all of Bokin'ny Genesisy 37
Cross References
Genesis 27:41Ary Esao nanao fo-lentika tamin’ i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’ ikaky, dia hamono an’ i Jakoba rahalahiko aho.
Genesis 50:20Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’ izao anio izao, hamelona olona betsaka.
Psalms 31:13Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
Psalms 37:12Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.
Psalms 94:21Manao andiany hamely ny fanahin’ ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.
Psalms 109:4Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.