Bokin'ny Genesisy 37:5
Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin’ ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Joseph dreamed a dream, and he told it his brethren: and they hated him yet the more.
In Context
6Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
Read all of Bokin'ny Genesisy 37
Cross References
Genesis 28:12Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin’ ny tany, ka nipaka tamin’ ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin’ Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
Genesis 37:8Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
Genesis 41:1Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron’ i Neily izy.
Genesis 49:23Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;
Judges 7:13Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin’ ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin’ ny tobin’ ny Midìna ka nankamin’ ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
Psalms 25:14Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.