Bokin'ny Genesisy 37:7
Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ ny amboarako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
Read all of Bokin'ny Genesisy 37
Cross References
Genesis 42:6Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin’ ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin’ i Josefa ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
Genesis 43:26Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin’ izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany izy.
Genesis 44:14Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon’ i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin’ ny tany teo anatrehany.
Genesis 50:18Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
Colossians 1:18Ary Izy no Lohan’ ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ ny maty, mba ho Lohany amin’ ny zavatra rehetra Izy.