Bokin'ny Genesisy 37:9
Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ ny folo niankohoka teo anatrehako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 37
Cross References
Genesis 20:3Fa Andriamanitra nankeo amin’ i Abimeleka, tamin’ ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin’ olona izy.
Genesis 37:10Ary nambarany tamin’ ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ ny tany eo anatrehanao?
Genesis 41:32Ary naverina indroa ny nofin’ i Farao, satria efa voatendrin’ Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin’ Andriamanitra faingana.
Genesis 43:26Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin’ izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany izy.
Genesis 44:14Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon’ i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin’ ny tany teo anatrehany.
Genesis 45:9Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin’ ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’ i Josefa zanakao: Efa nataon’ Andriamanitra ho tompon’ i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;