Bokin'ny Genesisy 38:10
Ary ratsy teo imason’ i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the thing which he did displeased the LORD: wherefore he slew him also.
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 38
Cross References
Genesis 46:12Ary ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
Numbers 22:34Dia hoy Balama tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.
1 Samuel 2:25Raha misy olona manota amin’ olona, dia ny mpitsara no hitsara azy; fa raha misy manota amin’ i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak’ i Jehovah ny hahafaty azy.
1 Kings 17:20Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin’ ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany?
1 Chronicles 21:7Ary tsy sitrak’ Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
Proverbs 24:18Fandrao hitan’ i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.