Bokin'ny Genesisy 38:26
Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’ i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Ary tamin’ ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
Read all of Bokin'ny Genesisy 38
Cross References
Genesis 4:1Ary Adama nahalala an’ i Eva vadiny; dia nanan’ anaka Eva ka niteraka an’ i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin’ i Jehovah aho.
Genesis 38:14Ary nanaisotra ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’ i Enaima, izay eo amin’ ny lalana mankany Timna; satria efa hitan’ i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen’ i Joda ho vadin’ i Sela izy.
1 Samuel 24:18ary hoy izy tamin’ i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao.
2 Samuel 20:3Ary nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanam-bady intsony.
Job 4:5Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
Job 34:32Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?