Bokin'ny Genesisy 38:29
Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 38
Cross References
Genesis 46:12Ary ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
Ruth 4:12ary ho tahaka ny taranak’ i Fareza, izay naterak’ i Tamara tamin’ i Joda, anie ny taranakao avy amin’ ny zanaka izay homen’ i Jehovah anao amin’ ity vehivavy ity.
1 Chronicles 9:4dia Otahy, zanak’ i Amihoda, zanak’ i Omry, zanak’ Imry, zanak’ i Bany, avy amin’ ny taranak’ i Fareza, zanak’ i Joda.
Nehemiah 11:6Ny taranak’ i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato.
Luke 3:33zanak’ i Aminadaba, zanak’ i Arny, zanak’ i Hezrona, zanak’ i Fareza, zanak’ i Joda,