Bokin'ny Genesisy 4:10
Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon’ ny ran’ ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he said, What hast thou done? the voice of thy brother’s blood crieth unto me from the ground.
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 4
Cross References
Genesis 9:5Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ ny tanan’ ny manan’ aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ ny tanan’ ny olona, dia eo amin’ ny tanan’ ny olona avy, no hanadinako ny ain’ ny olona.
Exodus 3:7Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian’ ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
Joshua 7:19Dia hoy Josoa tamin’ i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.
2 Kings 9:26Efa hitako tokoa omaly ny ran’ i Nabota sy ny ran’ ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin’ ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin’ io tany io araka ny tenin’ i Jehovah.
Job 16:18Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
Job 31:38Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;