Bokin'ny Genesisy 4:14
Indro, efa noroahinao hiala amin’ ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Dia hoy Kaina tamin’ i Jehovah: Lehibe ny valin’ ny heloko mihoatra noho izay zakako.
Read all of Bokin'ny Genesisy 4
Cross References
Genesis 9:5Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ ny tanan’ ny manan’ aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ ny tanan’ ny olona, dia eo amin’ ny tanan’ ny olona avy, no hanadinako ny ain’ ny olona.
Leviticus 26:36Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
Numbers 35:19Ny mpamaly rà no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
Numbers 35:27ka hitan’ ny mpamaly rà eo ivelan’ ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drà amin’ izany,
2 Samuel 14:7Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain’ ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an’ ny vadiko etỳ ambonin’ ny tany.
Job 21:14Kanefa anie ireo no manao amin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.