Bokin'ny Genesisy 40:15
fa nangalarina mihitsy avy tany amin’ ny tanin’ ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin’ ity lavaka ity aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 40
Cross References
Genesis 14:13Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin’ i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre Amorita, rahalahin’ i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin’ i Abrama.
Genesis 37:28Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin’ ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin’ ny Isimaelita; ary dia nitondra an’ i Josefa ho any Egypta ireo.
Genesis 39:20Ary ny tompon’ i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran’ ny mpifatotra diso tamin’ ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.
Exodus 21:16Ary izay mangalatra olona, na efa namidiny, na mbola hita eo an-tànany ihany ilay nangalariny, dia hatao maty tokoa.
1 Samuel 24:11Indro, hitan’ ny masonao androany ny nanoloran’ i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin’ ny tompoko aho, fa voahosotr’ i Jehovah izy.
Psalms 59:4Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.