Bokin'ny Genesisy 41:14
Dia naniraka Farao ka nampaka an’ i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an-davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin’ i Farao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 41
Cross References
1 Samuel 2:7Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.
2 Kings 25:29Ka dia novan’ i Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin’ ny andro niainany rehetra.
Esther 5:1Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, dia niakanjo akanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, dia teo anoloan’ ny tranon’ ny mpanjaka, ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin’ ny vavahadin’ ny trano.
Psalms 105:20Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
Ecclesiastes 4:14fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin’ alahelo tamin’ ny fanjakany aza izy.
Isaiah 61:10Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.